Numbers 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro nahavitan’i Mosesy ny fananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy izy, nanosotra sy nanamasina ireo izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andro nahavitan’i Môizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, hatramin’ny ôtely mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa, rehefa nanosotra sy nanamasina an’ireo izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro namitan’i Mosesy ny fananganana ny Fonena-masina no nanosorany sy nanokanany azy niaraka tamin’ny kojakoja rehetra momba azy; nohosorany sy notokanany tahaka izany koa ny alitara mbamin’ny kojakoja rehetra momba azy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro izay nahavitan'i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro nahavitan’i Mosesy ny fananganana ny tabernakely* dia nanosotra sy nanamasina azy sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy izy, nanosotra sy nanamasina ireo izy.
malagasy
[Ny zavatra naterin'ny lohan'ny firenen'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara] Ary tamin'ny andro izay nahavitan'i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,