Numbers 7:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izy ireo dia nitondra ny fanatiny teo anatrehan’NY TOMPO, dia sarety enina mirakotra sy omby roa amby folo, koa sarety iray sy omby iray avy ny avy tamin’ny lehiben’ny firenena roa, ary omby iray avy; dia noentin’izy ireo teo anoloan’ny tabernakely izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentiny teo anatrehan’i Iaveh ny fanatiny; sarety mirakotra enina, ary omby roa ambin’ny folo, izany hoe: sarety iray no avy amin’ny filohany roa, ary omby iray, avy amin’ny filohany iray. Teo anoloan’ny Fonenana no nanolorany an’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitondra fanomezana teo anatrehan’ny TOMPO ireo, dia sarety enina mirakotra sy omby 12 ka sarety iray no avy amin’ny filoha roa ary omby iray no avy amin’ny filoha iray. Nentiny teo anoloan’ny Fonena-masina avokoa ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin'ny folo, dia sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izy ireo dia nitondra ny fanatiny teo anatrehan’NY TOMPO, dia sarety enina mirakotra sy omby roa amby folo, koa sarety iray sy omby iray avy ny avy tamin’ny lehiben’ny firenena roa, ary omby iray avy; dia noentin’izy ireo teo anoloan’ny tabernakely izany.
malagasy