Numbers 7:84 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo no zavatra naterin’ireo lohan’ny Israely ho amin’ny fitokanana ny alitara tamin’ny andro izay hanosorana azy: Lovia volafotsy roa amby folo, lovia volafotsy famafazana roa amby folo, lovia kely volamena roa amby folo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo no fanomezana avy amin’ny filohan’i Israely, tamin’ny fitokanana ny ôtely, tamin’ny andro nanosorana azy; lovia volafotsy 12, kapoaka volafotsy 12, ary lovia kely volamena 12.
Malagasy Bible 1865
Ireo no zavatra naterin'ny lohan'ny Isiraely ho amin'ny fitokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosorana azy: lovia volafotsy roa ambin'ny folo, lovia volafotsy roa ambin'ny folo famafazana, lovia kely volamena roa ambin'ny folo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo no zavatra naterin’ireo lohan’ny Israely ho amin’ny fitokanana ny alitara tamin’ny andro izay hanosorana azy: Lovia volafotsy roa amby folo, lovia volafotsy famafazana roa amby folo, lovia kely volamena roa amby folo;
malagasy