Numbers 7:88 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny biby rehetra izay hatao fanati-pihavanana dia vantotra ombilahy efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, zanak’ondry enimpolo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ny fitokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny totalin’ny biby hatao sorom-pihavanana, dia omby 24, ondralahy 60, osy lahy 60, ary zanak’ondry efa iray taona 60. Ireo no fanomezana naterina tamin’ny fitokanana ny ôtely, nony efa voahosotra izy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny isan'ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny biby rehetra izay hatao fanati-pihavanana dia vantotra ombilahy efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, zanak’ondry enimpolo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ny fitokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.
malagasy
Ary ny isan'ny biby rehetra izay natao fanati-pihavanana dia vantotr'ombilahy efatra amby roa-polo, ondrilahy enim-polo, osilahy enim-polo, zanak'ondry enim-polo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin'ny fitokanana ny alitara, rehefa voahosotra izy.Ary rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.