Numbers 7:89 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy mba hiteny amin’Andriamanitra dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ny kerobima roa. Dia niteny taminy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy, mba hiteny amin’i Iaveh, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin’ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, anelanelan’ny kerobima roa. Ary niteny taminy izy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin'Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, avy eo anelanelan'ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niditra tao amin’ny tranolay fihaonana* i Mosesy mba hiteny amin’Andriamanitra dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ny kerobima* roa. Dia niteny taminy NY TOMPO.
malagasy