Numbers 8:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hametraka ny tanany amin’ny lohan’ireo vantotra ombilahy ny levita; dia atolory ny iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray kosa ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, hanaovana fanavotana ho an’ny levita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hametra-tanana amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy roa ny Levita, ka ny iray hataonao sorona fanalana ny ota ary ny iray ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, alohan’ny hanaovana amin’ny Levita ny fombam-pivavahana famelan-keloka.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hametraka ny tanany amin’ny lohan’ireo vantotra ombilahy ny levita; dia atolory ny iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray kosa ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, hanaovana fanavotana ho an’ny levita.
malagasy