Numbers 8:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ny Zanak’Israely, na olona na biby fiompy; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanamasinako azy ireo ho Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby; tamin’ilay andro namelezako ny lahy voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta, no nanokanako azy ho Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, Ahy ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Israelita, na olona izany na biby; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny lahimatoa israelita ho Ahy.
Malagasy Bible 1865
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ny Zanak’Israely, na olona na biby fiompy; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanamasinako azy ireo ho Ahy.
malagasy
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.