Numbers 8:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nomeko ho an’i Arona sy ireo zanany mihitsy ny levita, avy amin’ny Zanak’Israely, mba hanatanteraka ny fanompoan’ny Zanak’Israely ao amin’ny tranolay fihaonana sady hanao fanavotana ho an’ny Zanak’Israely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo ny Zanak’Israely raha manakaiky ny fitoerana masina izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia natolotro mba ho an’i Aarôna sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin’ny zanak’i Israely mba hanao ny fanompoan’ny zanak’i Israely ao amin’ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mba tsy ho voan’ny loza na inona na inona ny zanak’i Israely, rehefa hanakaiky ny fitoerana masina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary natolotro an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita hisolo ny Israelita mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka azy ireo; dia tsy hisy loza hanjo ny Israelita intsony raha manakaiky ny Toeramasina izy ireo.»
Malagasy Bible 1865
Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nomeko ho an’i Arona sy ireo zanany mihitsy ny levita, avy amin’ny Zanak’Israely, mba hanatanteraka ny fanompoan’ny Zanak’Israely ao amin’ny tranolay fihaonana sady hanao fanavotana ho an’ny Zanak’Israely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo ny Zanak’Israely raha manakaiky ny fitoerana masina izy ireo.
malagasy