Numbers 8:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Mosesy sy i Arona mbamin’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo dia nanatanteraka tamin’ny levita izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny levita. Araka izany no nataon’ny Zanak’Israely taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tamin’ny Levita, izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy momba ny Levita; izany no nataon’ny zanak’i Israely tamin’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tamin’ny Levita izany; dia araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny Levita no nataon’ny Israelita taminy.
Malagasy Bible 1865
Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Mosesy sy i Arona mbamin’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo dia nanatanteraka tamin’ny levita izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny levita. Araka izany no nataon’ny Zanak’Israely taminy.
malagasy