Numbers 8:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vita izany dia niditra hanao ny fanompoana tao amin’ny tranolay fihaonana ny levita, teo anatrehan’i Arona sy teo anatrehan’ireo zanany; araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny levita no nataony taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
raha efa izany dia niditra ny Levita nanao ny fanompoany tao amin’ny trano lay fihaonana teo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany. Araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny Levita, dia araka izany no natao tamin’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa izany vao afaka nandeha nanao ny asa fanompoany tao amin’ny Tranolay fihaonana teo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita. Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy momba ny Levita no natao taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy.