Numbers 9:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ny taranakareo hatramin’ny fara aman-dimby, maloto tamim-paty, na nandeha lavitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO ihany koa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo, na amin’ny taranakareo, maloto am-paty na lasa nivahiny an-tany lavitra, dia hanao ny Paka ho hajan’i Iaveh izy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy aminareo na amin’ny taranakareo voaloton’ny fatin’olona na lasa nandeha an-tany lavitra, dia mbola hankalaza ny Paska ho fanajana Ahy TOMPO ihany koa izy,
Malagasy Bible 1865
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ny taranakareo hatramin’ny fara aman-dimby, maloto tamim-paty, na nandeha lavitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO ihany koa izy.
malagasy