Numbers 9:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo ka mba te hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO dia araka ny didy sy ny fanao amin’ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na mpifindra monina, na tompon-tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha vahiny mitoetra eo aminareo no manao ny Pakan’i Iaveh dia hotandremany ny lalàna amam-pitsipika momba ny Paka. Lalàna iray ihany no ho anareo, na ho an’ny vahiny na ho an’ny tompon-tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha misy vahiny eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho fanajana AHY, dia hanaraka ny fomba fanao amin’ny Paska izy. Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny vahiny izany na amin’ny Israelita.»
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo ka mba te hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO dia araka ny didy sy ny fanao amin’ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na mpifindra monina, na tompon-tany.
malagasy