Numbers 9:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro izay nananganana ny tabernakely dia nanarona ny tabernakely na ny tranolain’ny Vavolombelona ny rahona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ny tabernakely tahaka ny afo izany mandra-paharain’ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andro nananganana ny Fonenana, dia nosaronan’ny rahona ny Fonenana, dia ny trano lain’ny vavolombelona izany: nisy zavatra mitarehin’afo teo ambonin’ny Fonenana hatramin’ny hariva ka mandra-paharain’ny andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro nananganana ny Fonena-masina, dia nisy rahona nandrakotra ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Amin’ny hariva izy io dia mazava toy ny afo eo ambonin’ny Tranolay mandra-maraina.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro izay nananganana ny tabernakely* dia nanarona ny tabernakely na ny tranolain’ny Vavolombelona ny rahona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ny tabernakely tahaka ny afo izany mandra-paharain’ny andro.
malagasy
[Ny amin'ny rahona izay nitarihan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely] Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro.