Numbers 9:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indraindray dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izany nony maraina dia niainga ny Zanak’Israely. Koa na andro na alina no niakaran’ny rahona dia niainga izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nipetraka hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ny rahona, ary niakatra nony maraina, dia niainga izy ireo, na raha afaka indray andro sy indray alina, vao niakatra ny rahona, dia niainga izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indraindray kosa ny rahona dia tsy mijanona afa-tsy ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany; koa rehefa miakatra izy ny maraina, dia miainga ny Israelita. Ary na indray andro sy indray alina aza no ijanonan’ny rahona, rehefa miakatra izy dia miainga ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indraindray dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izany nony maraina dia niainga ny Zanak’Israely. Koa na andro na alina no niakaran’ny rahona dia niainga izy ireo.
malagasy