Numbers 9:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na roa andro, na iray volana, na ela noho izany aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely, dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Israely fa tsy niainga; raha vao niakatra kosa ny rahona dia niainga izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nipetraka teo ambonin’ny Fonenana andro maro, na volana iray na taona iray, ny rahona, dia naharitra nitoby teo ny zanak’i Israely, fa tsy niainga; fa nony vao niakatra izy dia niainga izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.
Malagasy Bible 1865
Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na roa andro, na iray volana, na ela noho izany aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely, dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Israely fa tsy niainga; raha vao niakatra kosa ny rahona dia niainga izy.
malagasy
Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.