Numbers 9:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitandrina ny Paska tany amin’ny tany efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka tamin’ny andro faha 14n’ny volana voalohany, tamin’ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an’efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nankalaza ny Paska tany an-taniefitr’i Sinay ireo ny harivan’ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohany. Nataon’ny Israelita araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany.
Malagasy Bible 1865
Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitandrina ny Paska tany amin’ny tany efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely.
malagasy