Numbers 9:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay; koa nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Israely hanolotra ny fanatitra ho an’NY TOMPO amin’ny fotoanany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Voaloto tamim-paty izahay, nahoana izahay no tsy afaka hanolotra ny fanatitray amin’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry, eo afovoan’ny zanak’i Israely?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka niteny taminy hoe: –Voaloton’ny fatin’olona izahay. Koa nahoana no raràna tsy hahazo mitondra ny fanatitray ho an’ny TOMPO amin’ny andro voatondro toy ny Israelita rehetra?
Malagasy Bible 1865
ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay; koa nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Israely hanolotra ny fanatitra ho an’NY TOMPO amin’ny fotoanany?
malagasy
ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?