Obadiah 1:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza finaritra mijery ny andron’ny rahalahinao amin’ny andro ahitany loza; aza mifaly ny amin’ny taranak’i Joda amin’ny andro andringanana azy; aza manao teny miavonavona amin’ny andro fahoriana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza faly mijery ny andron’ny rahalahinao, amin’ny andro idiran-doza aminy; aza mifaly amin’ny momba ny taranak’i Jodà, amin’ny andro andringanana azy; ary aza dia avoavo fiteny amin’ny andron’ny fahoriany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy tokony ho finaritra nijery ireo rahalahinao ianao tamin’ny andro nahitany loza; tsy tokony ho nifaly ny amin’ny taranak’i Joda ianao tamin’ny andro nandringanana azy; ary tsy tokony ho nanao teny miavonavona ianao tamin’ny andro nampahory azy;
Malagasy Bible 1865
Aza finaritra mijery ny andron'ny rahalahinao amin'ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin'ny taranak'i Joda amin'ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin'ny andro fahoriana
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza finaritra mijery ny andron’ny rahalahinao amin’ny andro ahitany loza; aza mifaly ny amin’ny taranak’i Joda amin’ny andro andringanana azy; aza manao teny miavonavona amin’ny andro fahoriana.
malagasy