Obadiah 1:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho afo ny taranak’i Jakoba ary ho lelafo ny taranak’i Josefa, fa ny taranak’i Esao kosa dia ho mololo ary harehitr’ireny izy ka holevoniny; tsy hisy sisa velona ny taranak’i Esao satria NY TOMPO no efa niteny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny taranak’i Jakôba, ho afo; ny taranak’i Josefa, ho lelafo; ary ny taranak’i Esao kosa, ho bozaka; ka harehitr’ireo izy sy holevoniny, dia tsy hisy miangana ny taranak’i Esao, fa i Iaveh no efa niteny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny taranak’i Jakôba ho toy ny afo, ny taranak’i Jôsefa ho toy ny lelafo; ny taranak’i Hesao kosa ho toy ny mololo ka harehitr’ireo sy holevoniny, ary tsy mba hisy sisa tavela amin’ny taranak’i Hesao. Izaho TOMPO no efa niteny!»
Malagasy Bible 1865
Ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho afo ny taranak’i Jakoba ary ho lelafo ny taranak’i Josefa, fa ny taranak’i Esao kosa dia ho mololo ary harehitr’ireny izy ka holevoniny; tsy hisy sisa velona ny taranak’i Esao satria NY TOMPO no efa niteny.
malagasy