Obadiah 1:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny any Negeva no hahazo ny tendrombohitr’i Esao; ary ny any Sefela no hahazo ny an’ny Filistina; hahazo ny tanin’i Efraima sy ny tany Samaria izy; ary i Benjamina dia hahazo an’i Gileada.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tendrombohitr’i Esao, ho lasan-dry zareo any Negeba, ary ny tanin’ny Filistinina ho an-dry zareo amin’ny Sefelah; hanana ny faritanin’i Efraima izy ireo, mbamin’ny faritanin’i Samaria; ary ny any Benjamina hahalasa an’i Galaada.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mponin’i Joda, faritra atsimo, no hahalasa ny tendrombohitr’i Hesao; ny mponin’i Joda, faritr’i Sefelà, no hahalasa ny tanin’ny Filistinina sady hahalasa ny tanin’i Efraîma, izany hoe ny tanin’i Samaria; ary ny taranak’i Benjamîna no hahalasa an’i Gilehàda.
Malagasy Bible 1865
Ny any amin'ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr'i Esao;Ary ny any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an'i Gileada.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny any Negeva no hahazo ny tendrombohitr’i Esao; ary ny any Sefela no hahazo ny an’ny Filistina; hahazo ny tanin’i Efraima sy ny tany Samaria izy; ary i Benjamina dia hahazo an’i Gileada.
malagasy
Ny any amin'ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr'i Esao;Ary ny any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an'i Gileada. [Heb. sefela]