Obadiah 1:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny babo amin’izao Zanak’Israely maro be izao dia hahazo ny Kananita hatrany Zarefata, ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahazo ny tanàna any Negeva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo lasan-ko babo tamin’ny tafiky ny zanak’i Israely hahalasa ny tanin’ny Kananeanina, hatrany Sareptà. Ary ireo lasan-ko babo tamin’i Jerosalema izay any Sefarada hanana ny tanàna any amin’i Negeba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny babo tamin’ny Israelita, izay tafika marobe, no hahalasa ny tanin’ireo Kanahanita hatrany Tsarefàta. Ny babo tamin’ny mponin’i Jerosalema, izay any Sefaràda, no hahalasa ny tanàna any Negèba;
Malagasy Bible 1865
Ary ny babo amin'izao Zanak'Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin'ny tany atsimo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny babo amin’izao Zanak’Israely maro be izao dia hahazo ny Kananita hatrany Zarefata, ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahazo ny tanàna any Negeva.
malagasy
Ary ny babo amin'izao Zanak'Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin'ny tany atsimo. [Na: marobe izao, izay any amin'ny Kananita hatrany Zerefata, sy ny babo, etc..]Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1