Obadiah 1:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha toa misy mpangalatra, na jiolahy amin’ny alina, tonga ao aminao, dia tsy hihetsika va ianao? Moa tsy izay hahafapo azy va no hangalariny? Ary raha toa misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, moa tsy ambinambina voaloboka ihany va no havelany hotsimponinao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nisy tafiditra ao aminao, na ny mpangalatra, na ny mpandroba alina - Endrey izany faharavanao! - moa ho tsy izay ampy azy ihany va no nongoahany? Raha misy mpioty voaloboka tonga tao aminao, moa dia tsy ho nasiany sisa hotsimponina va?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy mpangalatra na mpandroba tonga alina ao aminao, moa tsy hindaosiny avokoa ve izay zavatra azony entina? Indrisy fa fongotra ianao! Raha misy mpioty voaloboka tonga eo aminao, moa tsy voaloboka hotsimponina ve no havelany?
Malagasy Bible 1865
Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha toa misy mpangalatra, na jiolahy amin’ny alina, tonga ao aminao, dia tsy hihetsika va ianao? Moa tsy izay hahafapo azy va no hangalariny? Ary raha toa misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, moa tsy ambinambina voaloboka ihany va no havelany hotsimponinao?
malagasy