Obadiah 1:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nandroaka anao hatrany amin’ny sisintany; izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; izay mihinana ny haninao no nanao vela-pandrika ao ambaninao. Tsy misy fisainana intsony ao aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanosika anao hatrany an-tsisin-tany avokoa, ireo vita fanekena taminao; namazivazy anao, naharesy anao ireo izay nifaly tamin’ny fihavanany aminao; ry zareo nihinana ny haninao, namela-pandrika eo ambanin’ny dianao. Tsy misy saina azo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny olona rehetra izay nanao fifanekena taminao no mandroaka anao hatrany ivelan’ny sisin-taninao. Ny olona tsara fihavanana taminao no mamitaka anao ka naharesy anao. Ireo niara-nisakafo taminao no mamela-pandrika eo amin’ny lalan-kodiavinao. Ka hoy ireo ny aminao hoe: ‹Tsy misy matsilo saina intsony ao aminy›.
Malagasy Bible 1865
Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin'ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nandroaka anao hatrany amin’ny sisintany; izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; izay mihinana ny haninao no nanao vela-pandrika ao ambaninao. Tsy misy fisainana intsony ao aminy.
malagasy