Philemon 1:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, ry rahalahy, mba ataovy ho fifaliako avy aminao ao amin’ny Tompo izany; ampandrio ny saiko noho ny amin’i Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny, rahavako, aoka hifaliako ao amin’ny Tompo ianao, ka velombelomy ao amin’i Kristy ny foko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin’i Kristy.
Malagasy Bible 1865
Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, ry rahalahy, mba ataovy ho fifaliako avy aminao ao amin’ny Tompo izany; ampandrio ny saiko noho ny amin’i Kristy.
malagasy
Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.