Philemon 1:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mba hiasa mafy ho an’i Kristy anie ny fiombonana avy amin’ny finoanao, amin’ny fahalalana ny zavatra tsara rehetra izay ao anatintsika!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Enga anie ny hazavam-ponao avy amin’ny finoana ka hanan-kery tokoa hampiharihary fatratra ny soa rehetra ananantsika amin’ny alalan’i Kristy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izao no angatahiko amin’Andriamanitra: ny fiombonanao aminay amin’ny alalan’ny finoana anie hampisy fahalalana tsara ny soa rehetra ananantsika, noho isika tafaray amin’i Kristy.
Malagasy Bible 1865
mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mba hiasa mafy ho an’i Kristy* anie ny fiombonana avy amin’ny finoanao, amin’ny fahalalana ny zavatra tsara rehetra izay ao anatintsika!
malagasy
mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.