Philippians 1:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia vao mainka tonga fampandrosoana ny Filazantsara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tiako ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa efa tonga fampandrosoana ny Evanjely ny zavatra nanjò ahy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly;
Malagasy Bible 1865
Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia vao mainka tonga fampandrosoana ny Filazantsara.
malagasy
[Ny toetr'i Paoly tao amin'ny fifatorana, sy ny fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;