Philippians 1:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ahoana ary? Amin’izay atao rehetra, na amin’ny fihatsarambelatsihy na amin’ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’izany aho; eny, mbola hifaly ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nefa mampaninona moa izany e? Rehefa i Kristy no torina, na amim-pihatsarambelatsihy izany, na amin-kitsim-po, dia mahafaly ahy izany, ary mbola hahafaly ahy koa aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa mampaninona moa izany? Amin’ny atao rehetra, na asesiky ny fihatsarambelatsihy na asesiky ny hevitra mahitsy, dia i Kristy no torîna, ka ifaliako izany; eny, hifaliako hatrany izany
Malagasy Bible 1865
Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ahoana ary? Amin’izay atao rehetra, na amin’ny fihatsarambelatsihy na amin’ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’izany aho; eny, mbola hifaly ihany.
malagasy
Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.