Philippians 1:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy. Ka amin’izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin’ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly.
Malagasy Bible 1865
Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy* ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,
malagasy
Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,