Philippians 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha misy fampirisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy fiombonana ao amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mampahery anareo tokoa ny firaisana amin’i Kristy, mampirisika anareo ny fitiavany, ary miombona amin’ny Fanahy Masina ianareo ka mahay mangoraka sy be hatsarampo.
Malagasy Bible 1865
Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha misy fampirisihana ao amin’i Kristy*, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy fiombonana ao amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana,
malagasy
[Anatra hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an'i Jesosy Kristy] Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,