Philippians 2:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba ho tsy manan-tsiny sady madio ianareo; dia zanak’Andriamanitra tsy azo kianina eo amin’ny firenena meloka sy maditra izay amirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak’Andriamanitra tsy misy kilema eo afovoan’ny olo-meloka sady maditra. Eo afovoan’ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an’habakabaka ianareo,
Malagasy Bible 1865
mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba ho tsy manan-tsiny sady madio ianareo; dia zanak’Andriamanitra tsy azo kianina eo amin’ny firenena meloka sy maditra izay amirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao,
malagasy
mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao,