Philippians 2:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manantena ao amin’i Jesosy Tompo anefa aho fa haniraka haingana an’i Timoty ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny momba anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manantena ao amin’i Jesoa Tompo aho fa haniraka an’i Timote faingana aty aminareo, mba hifaliako koa rehefa reko ny toetranareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha sitrak’i Jesoa Tompo, dia antenaiko fa ho afaka handefa faingana an’i Timôty ho atỳ aminareo aho, mba hahazoako fampirisihana koa rehefa mahafantatra ny vaovao momba anareo;
Malagasy Bible 1865
Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manantena ao amin’i Jesosy Tompo anefa aho fa haniraka haingana an’i Timoty ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny momba anareo.
malagasy
[Ny amin'i Timoty sy Epafrodito] Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo.