Philippians 2:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nihevitra koa aho fa tokony hampandehaniko hankaty aminareo i Epafrodito rahalahiko sady mpiray asa amiko no mpiantafika namako ary Apostoly nirahinareo hanompo sy hanome ahy izay nilaiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihevitra anefa aho fa i Epafrôdita rahalahiko, sady mpiara-miasa sy mpiara-miady amiko, ary irakareo hanompo ahy amin’ny zavatra ilaiko, dia tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo aloha;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa nihevitra aho fa tokony halefako atỳ aminareo i Epafrôdito havantsika, izay mpiara-miasa sy mpiara-miady amiko, sady iraka nampitondrainareo ny fanampiana izay nilaiko.
Malagasy Bible 1865
Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nihevitra koa aho fa tokony hampandehaniko hankaty aminareo i Epafrodito rahalahiko sady mpiray asa amiko no mpiantafika namako ary Apostoly nirahinareo hanompo sy hanome ahy izay nilaiko.
malagasy
Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko. [ Gr. apostolinareo]