Philippians 3:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina fa mahatsara anareo izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Farany, ry kristianina havana, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerin-teny raha manoratra aminareo, sady mahasoa anareo izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo, sady azonareo toky tsara amin’izay.
Malagasy Bible 1865
Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina fa mahatsara anareo izany.
malagasy
[Anatra nataon'i Paoly mba tsy haneken'ny Filipiana izay mpampianatra sandoka, fa hitady handroso amin'ny fitondran-tena tsara rehetra] Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. [ Na: veloma]