Philippians 4:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary faly indrindra ao amin’ny Tompo aho satria nampitsimohanareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana izany ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahazo hafaliana lehibe ao amin’ny Tompo aho, fa indro hitako mamòny indray izao ny fitsinjovanareo ahy; tao aminareo mandrakariva izany, saingy ny zavatra hohararaotinareo no tsy mbola nisy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahatsapa hafaliana lehibe tao amin’ny Tompo aho, satria nasehonareo indray ny fiahianareo ahy. Nitohy hatrany ny fiahianareo ahy, saingy tsy mbola nisy fotoana hanehoanareo izany.
Malagasy Bible 1865
Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary faly indrindra ao amin’ny Tompo aho satria nampitsimohanareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana izany ianareo.
malagasy
[Saotra nataon'i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an'i Epafrodito, ary fanaovam-beloma sy tso-drano. Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.