Philippians 4:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ny niandohan’ny Filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho dia tsy nisy fiangonana nifampiraharaha tamiko ny amin’ny fanomezana ho ahy sy izay avy amiko, afa-tsy ianareo ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary fantatrareo koa, ry Filipianina, fa tamin’ny niandohan’ny Evanjely, rehefa niala tany Masedônia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin’ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy ianareo ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatrareo koa, ry Filipianina, fa nony niala tany Masedônia aho, tamin’ny fotoana niandohan’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, dia ianareo no hany Fiangonana nanampy ahy ka nanana kaontin’ny miditra sy mivoaka nifanaovana tamiko.
Malagasy Bible 1865
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ny niandohan’ny Filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho dia tsy nisy fiangonana nifampiraharaha tamiko ny amin’ny fanomezana ho ahy sy izay avy amiko, afa-tsy ianareo ihany.
malagasy
Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin'ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [ Gr. eklesia]