Philippians 4:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra mani-pofona, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an’i Epafrôdita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra, raisiny an-kafaliana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, manana ny zavatra rehetra ilaiko aho izao sady manana amby ampy; efa voaraiko tamin’i Epafrôdito ny fanomezana avy aminareo, ka heni-tsoa mitafotafo aho. Izany fanomezanareo izany dia toy ny zava-manitra mamerovero atao sorona ka raisin’Andriamanitra sady ankasitrahiny.
Malagasy Bible 1865
Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady ankasitrahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra mani-pofona, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany.
malagasy