Philippians 4:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny Filazantsara izy ireo, mbamin’i Klementa sy ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao kosa, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, dia mangataka aminao aho mba hanampy azy roa vavy amin’izany koa, fa izy ireo no niara-niady tamiko teo amin’ny Evanjely, dia izy sy i Clément mbamin’ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay efa ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan’ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin’i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin'ny bokin'ny fiainana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny Filazantsara izy ireo, mbamin’i Klementa sy ireo mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.
malagasy