Proverbs 19:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mahabe fahoriana ny rainy ny zanaka adala ary ny ady ataon’ny vehivavy dia toy ny rano mitete tsy mitsahatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zanaka adala mampidi-doza an-drainy; ary ny ady ataon’ny vehivavy, toy ny tafon-trano mitete tsy an-kijanona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanaka adala dia fahoriana ho an’ny rainy; ny vehivavy tia ady kosa dia toy ny fantsona tsy mitsaha-mitete.
Malagasy Bible 1865
Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mahabe fahoriana ny rainy ny zanaka adala ary ny ady ataon’ny vehivavy dia toy ny rano mitete tsy mitsahatra.
malagasy
Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.