Proverbs 23:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
An’iza ny Indrisy? An’iza ny Loza? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy amin’antony? An’iza ny maso mivoaramena?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’iza ny indrisy? Ho an’iza ny endrey? Ho an’iza ny fanditra? Ho an’iza ny fimonjomonjoana? Ho an’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? Ho an’iza ny maso mivaivay?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho an’iza ny alahelo? Ho an’iza ny nenina? Ho an’iza ny fifandirana? Ho an’iza ny toloko? Ho an’iza ny ratra tsy amin’antony? Ho an’iza ny maso mandroroa?
Malagasy Bible 1865
An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
An’iza ny Indrisy? An’iza ny Loza? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy amin’antony? An’iza ny maso mivoaramena?
malagasy
An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena? [Na: manjambena]