Proverbs 26:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpandefa zana-tsipìka dia mahavoa ny olona rehetra, toy izany ny manakarama ny olona adala, na ny manakarama izay sendra mandalo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny mpandefa tsipìka mandratra ny olona rehetra, ny manakarama ny adala sy ny mpandalo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpampiasa manarama adala sendra mandalo dia mandratra ny olona rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpandefa zana-tsipìka dia mahavoa ny olona rehetra, toy izany ny manakarama ny olona adala, na ny manakarama izay sendra mandalo.
malagasy
Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.[Na: Toy ny mpandefa zana-tsipìka mahavoa ny olona rehetra, Dia toy izany ny manakarama ny adala sy manakarama izay sendra mandalo]