Proverbs 26:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Halan’ny lela mandainga ny olona izay nampahoriny ary ny vava mandokadoka foana dia mahatonga faharavana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mankahala izay olona simbany ny lela mandainga, ary mampidi-doza ny vava mandoka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mampahory olona amin’ny lainga dia fankahalana azy; ary ny teny mandokadoka no ahitan-doza.
Malagasy Bible 1865
Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Halan’ny lela mandainga ny olona izay nampahoriny ary ny vava mandokadoka foana dia mahatonga faharavana.
malagasy
Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.