Proverbs 28:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay manome ny mahantra dia tsy hisy zava-mahory azy, fa izay minia mikimpy kosa dia hahazo ozona be.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy ho voan’ny tsy fahampiana izay manome ny mahantra, fa hianjeran’ozona kosa, izay mihirim-belona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay manome ny mahantra tsy hanan-java-mahory, fa izay mikimpy tsy mijery azy kosa ho rakotra ozona.
Malagasy Bible 1865
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay manome ny mahantra dia tsy hisy zava-mahory azy, fa izay minia mikimpy kosa dia hahazo ozona be.
malagasy
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;Raha misandratra ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.[Na: mitsangana]