Proverbs 30:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no nametraka ireo faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany? Fa toa fantatrao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza no miakatra any an-danitra, ary iza no midina avy any? Iza no nanangona ny rivotra teo an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no mampiorina mafy ny faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran-janany? Mahalala izany va ianao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no efa niakatra tany an-danitra ka nidina avy tany indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no nandraikitra ny faravazan-tany rehetra? Iza no anarany? Iza no anaran-janany? Ambarao raha fantatrao.
Malagasy Bible 1865
Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no nametraka ireo faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany? Fa toa fantatrao!
malagasy