Proverbs 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Henoinareo, anaka, ny anatry ny ray, ary tandremo izany mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Henoy, anaka, ny anatry ny ray, ary mitandrema mba hahazo fahalalana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Henoy, rey anaka, ny anatry ny ray ary milofosa hahalala ny fahaiza-manavaka.
Malagasy Bible 1865
Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Henoinareo, anaka, ny anatry ny ray, ary tandremo izany mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
malagasy
[Fananarana hikatsaka ny fahendrena tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.