Proverbs 5:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa dieravavy maha te ho tia sy osidia tsara bika izy; dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa serfa vavy mahatehotia izy ary gazela mahafinaritra, ka aoka ny hasoany hiravoravoanao lalandava, ary ho raiki-pitia azy mandrakariva ianao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa toy ny dieravavy mahatehotia sy toy ny gazela mahafinaritra ny vadinao. Hahafeno haravoana anao anie ny hatsaram-bikany ary hahasambatra anao mandrakariva ny fitiavany!
Malagasy Bible 1865
Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa dieravavy maha te ho tia sy osidia tsara bika izy; dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany ianao.
malagasy
Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao.