Psalms 10:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitanao ny fahoriana sy ny alahelo; jerenao izany mba hovalian’ny tananao; Ianao no fiononan’ny mahantra; Ianao no mpamonjy ny kamboty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahita anefa Ianao, fa nijery ny fahoriana amam-pijaliana, mba hiandraiketanao ny momba azy, Ianao no iankinan’ny malahelo; mamonjy ny kamboty Ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitanao fa mijaly sy ory ny mahantra, ka mivonon-kanampy azy hatrany Ianao; Ianao no itokian’ny malemy, sady mamonjy ny kamboty.
Malagasy Bible 1865
Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitanao ny fahoriana sy ny alahelo; jerenao izany mba hovalian’ny tananao; Ianao no fiononan’ny mahantra; Ianao no mpamonjy ny kamboty.
malagasy
Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.