Psalms 10:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mahomby amin’ny fotoana rehetra izy; any amin’ny avo ka lavitra azy ny fitsaranao; ny mpandrafy azy rehetra dia vingavingainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ambinina hatrany hatrany izy, amin’izay alehany. Ny fitsaranao dia avo loatra ka tsy ahoany; ny mpandrafy azy, tsofiny indray mandeha dia mihahaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mahomby mandrakariva ny zavatra ataony, vingavingainy avokoa izay manohitra azy, tsy tazany ny fitsaran’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mahomby amin’ny fotoana rehetra izy; any amin’ny avo ka lavitra azy ny fitsaranao; ny mpandrafy azy rehetra dia vingavingainy.
malagasy
Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? [Heb. Mahery]