Psalms 101:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Famindrampo sy fitsarana no hankalazaiko; Ianao, TOMPO ô, no hoderaiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Salamon’i Davida. Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no tiako hohiraina; Ianao Iaveh no tiako hankalazaina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Salamo nataon’i Davida. TOMPO ô, firaiketam-po aminao sy rariny ho an’ny vahoaka no zavatra tiako hokaloina: izany no hankalazako Anao an-kira.
Malagasy Bible 1865
Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Famindrampo sy fitsarana no hankalazaiko; Ianao, TOMPO ô, no hoderaiko.
malagasy
[Fikasan'ny mpanjaka ny amin'ny hitondrany marina ny fanjakany] Salamo nataon'i Davida. Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.