Psalms 106:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Matetika Izy no nanafaka azy; fa ireo kosa dia tsy nisaina afa-tsy ny hikomy Taminy ihany ka nihalevona noho ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanafaka azy ireo matetika Izy; nefa niodina nanaraka ny fisainany izy ireo; ka ny helony no nahaverezany ny tenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Imbetsaka izy no nafahan’ny Tompo, saingy nikiry tamin’ny fikomiany ka nilentika tanaty heloka hatrany.
Malagasy Bible 1865
Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Matetika Izy no nanafaka azy; fa ireo kosa dia tsy nisaina afa-tsy ny hikomy Taminy ihany ka nihalevona noho ny helony.
malagasy
Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.