Psalms 11:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO no ialofako. Ahoana no itenenanareo amin’ny fanahiko hoe: Mandosira ho any an-tendrombohitra toy ny voronkely?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. I Iaveh no itokiako; ka ahoana no ilazanareo amin’ny fanahiko hoe: Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. –Ny TOMPO no fialofako. Ahoana àry no ilazanareo amiko hoe: «Mandosira any an-tendrombohitra toy ny fanaon’ny voronkely ianao?»
Malagasy Bible 1865
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO no ialofako. Ahoana no itenenanareo amin’ny fanahiko hoe: Mandosira ho any an-tendrombohitra toy ny voronkely?
malagasy
[Ny avalin'ny mahery finoana izay sakaizany saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely? [Na: ry voronkely]